VAOVAO TVM MIVANTANA

TVM EN DIRECTE.

VAOVAO

.

.

VAOVAO

lundi 28 juin 2010

TVM sy RNM, anjakan’ny FAT !

Vaovao tokan-jotra !

Maro amin’ny Malagasy no tsy té hijery sy hihaino intsony ity haino aman-jerim-panjakana ity. Mitongilana tanteraka any amin’ny FAT ny zavatra atao ao.Tsy misy « balance » izany ny vaovao ao hoy ny mpanao gazety miasa ao izay niangavy tsy tononina anarana, « ny vaovao politikan’ny FAT ihany no azo am-bara ao » hoy izy.
Izay ilay demokrasia nokatsahina teto ! ny hevitr’olon-tokana no hampanjakaina tokana, eny na dia hita maso izao aza fa maro an’isa ny Malagasy tsy manaraka sy manaiky ny FAT. »Volam-bahoaka anefa no ampiasaina ao, ny hetra alohanao sy ny ahy ».
Tsiahivina fa tamin’ny taon-dasa dia nilokaloka ery Ingahy Johary Ravaojanahary fa ho matihanina tanteraka amin’izay ity haino aman-jerim-panjakana ity.Tsy hisy baiko avy atsy sy avy aroa intsony hoy izy fa samy halefa daholo ny vaovao rehetra. Indrisy Johary !

Tsy matihanina !

Tsy sanatria akory té hanakiana be fahatany fa raha sendra mba nijery TVM ianao omaly dia tena menatra, tsy mendrika ny ho chaine « nasionale » ireny nitranga omaly ireny !
Henon’ny mpijery any an-tokantrano ny fibaikoana hataon’ny « mpanatontosa » ao anaty kabina tekinika.Izao no henonao : « iray, roa ,telo,…efatra en entenne…deux en ligne…sns ! » ankoatra izay ny fitabatabana tsy ifandrenesana.Naharitra teo amin’ny 30 minitra teo izany.Tsy gaga ianao , « tena mpiasam-panjakana marina ireto ! » telopolo andro fanjava raika.
Ankoatra izany ny tsy fifehezana ara-tekinika, ny feo ratsy ny sary mipelipelika be izany, manginy fotsiny ny soratra diso mandeha eo ambany « Lalonam-be hono e ! »

Hajao ny mpijery !

Fa ankoatra ireo dia sorena tanteraka ny mpanaraka ny baolina kitra, raha iny nankafy nijery baolina iny no navadika tampoka teny amin’ny fampitana mivantana ny « podium » teny Anosy ny sary, ny feo anefa dia ny fitantarana baolina ihany.

Fanontaniana tokana no hapetraka ho anareo mpiasan’ny TVM sy RNM :
« miasa hoan’iza marina ianareo?

Ny vahoaka sa ny FAT sa karama isam-bolana ? Mila 19 amin ‘ ingahy Rajoelina ny TVM satria tonga nanatrika izany lanonana izany izy , naleo nampandeferina ny vahoaka Malagasy mpankafy baolina kitra toy izay tsy handefa ny sarin’ny FAT. Io ilay tonga amin’ny fitenenana hoe : izay tiako ihany io e! Rehefa baolina dia baolina, rehefa « podium dia podium » e !

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire